Jery taratra…

Mifamahofaho ny voina sy ny vina
Namela takaitra amin’ny faritra maro ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, indrindra ny ora-mijojo nentiny: ampolony ny olona namoy ny ainy sy tsy hita popoka, analiny ny traboina… Faritra maro koa no safotry ny rano, toy ny tanànan’i Morondava, Maroantsetra, Mahajanga… Eo koa ny voly safotry ny rano, ny lalam-pirenena tapaka.
Nilaza ny ambasadaoro frantsay fa vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika ny fanjakana frantsay. Na izany aza, tsy mitsabaka amin’ny fifidianana ry zareo, fa manana ny safidiny ny vahoaka malagasy. Andrandraina ny fifidianana demokratika, malalaka sy mangarahara.
Nilaza ny filohan’ny Ceni fa tsy maintsy hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity. Nisy ny fihaonany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, nandinihana ny vola enti-manana ny fifidianana izay 33 tapitrisa dolara ny vinavinan’ny Ceni. Ny fitsidihana tokantrano no hifarana ny 31 janoary amin’ny fanisana mpifidy.
Mijoro ny vondrona politika Lera iarahan’ny mpitarika antoko sy olom-boafidy ary firaisamonina sivily sasany. Nilaza ry zareo fa fotoana izao hanoherana ny jadona toy izay nahafaty momoka ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Maro ny lesoka mila hahitsy amin’ny lalàm-pifidianana sy ny fiatrehana ny fifidianana.
Tao anatin’ny fihaonana an-tampony tany Dakar, Sénégal, momba ny sakafo aty Afrika, nahazo famatsiam-bola 334 tapitrisa dolara avy amin’ny BAD ary 200 tapitrisa dolara avy amin’ny FIDA i Madagasikara . Vola entina hanatanterahana ny fiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hanatrarana ny fahavitan-tena amin’ny sakafo hatramin’ny 2030.
Mifamahofaho ny voina sy vina? Mba tsy ho tratran’ny voina ny vina raha ho amin’izay tena mahasoa sy azo tanterahina…

R. Nd.

Partager sur: