Nentin’ny fahadisoam-panantenana tafahoatra, niafara tamin’ny famoizam-po ny raim-pianakaviana iray nitady fanampiana tamin’ny havany saingy tsy nisy niraharaha tao Sambava, omaly.
Maty nananton-tena tao amin’ny fokontany Ampandrozonana, distrikan’i Sambava ny raim-pianakaviana iray, omaly maraina. Nanana olana ara-bola izy ary niezaka nitady vahaolana tamin’izany. Very hevitra anefa ny lehilahy rehefa tsy nahita hirika entina hamahana io olany io. “Efa nangataka fanampiana tamin’ny fianakaviany ihany izy io saingy tsy nisy nanampy”, hoy ny fanazavan’ny kapiteny lehiben’ny vondron-tobim-paritra ao an-toerana. Nandeha nivoaka toy ny fanaony ity lehilahy 36 taona ity. Tsy nieritreritra na inona na inona, noho izany, ireo vady aman-janany. Kinanjo, nihazo ny toerana mangingina sy tsy misy mpandalo teny amoron-dranomasina izy. Tapa-kevitra ny lehilahy fa hamono tena amin’ny alalan’ny fanantonana ny vatana teo amin’ny hazo.
Nametraka taratasy
Talohan’ny namonoany tena, nanoratra taratasy ho an’ny vadiny izy mba hitaizan’ity farany tsara ireo menaky ny ainy ireo. Nifona tamin’ireo ankohonany noho izao fanapahan-keviny izao koa ity lehilahy ity. Nanao ny fizahana ny razana ny tompon’andraikitra ao an-toerana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Tonga nijery ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io koa ny vadiny rehefa nantsoina. Hatairana sy halahelo ny an’ity farany nahita ny vadiny namono tena. Araka ny fanadihadian’ny zandary, avy any Imady ity raim-pianakaviana ity saingy mivelona ao Sambava izy sy ny vady aman-janany. Telo mianadahy ireo kamboty navelany. Efa natolotra ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy namoy ny ainy ity.
Tsiferana R.