An’arivony ireo mpianatra avy amin’ny Ecole Normale Superieure (ENS) efa noraisin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho mpiasam-panjakana, nanomboka ny taona 2019-2021. Ho an’ny fandraisan’izay manana MAPEN sy CAPEN taona 2022, noraisina ireo rehetra izay nametraka antontan-taratasy ara-potoana. Teny anivon’ny foibem- pitondrana misahana ny maha- olona anivon’ny minisitera, no nametrahana izany araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisitera, ny faran’ny herinandro. Haparitaka manerana ny lisea maro, araka ny filàna, ny mpampianatra vaovao.
Momba ny LAPEN taona 2022 manokana, 200 no natokana ho an’ izay sokajy izay ary mbola misy ny lisea azo hisafidianana. Misokatra, araka izany, hatramin’ny 10 febroary ho avy izao ny fametrahana ny antontan-taratasy. Afaka miverina ireo efa nametraka fangatahana teo aloha ka tsy voaray, araka ny naoty nivoaka. Mivoaka amin’ny alalan’ny peta-drindrina ao amin’ny sampana misahana ny maha-olona ihany koa eny Mahamasina sy eny anivon’ny DREN sy ny CISCO ny lisitr’ireo anarana voaray rehetra. Misy koa ny rohy azo tsidihina http://www.education.gov. mg/note-de-recrutement-et-liste…/
Niverenana nojerena indray ny antontan-taratasy tonga teny amin’ny tomponandraikitra mialoha ny volana novambra lasa teo, ho an’ ireo rehetra manana ny mari-pahaizana Capen sy Mapen. Tsy maintsy mandefa taratasy fanekena eny amin’ny sampana misahana ny mpiasa avokoa ireo voaray ho mpiasam-panjakana.
Vonjy