Rivodoza Cheneso : 27 ny olona namoy ny ainy

Miisa 27 ny olona namoy ny ainy, lasan’ny rano, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza teto Madagasikara. 21 tsy hita po­poka, raha ny tatitra avy amin’ny BNGRC, omaly. Mbola misy hatrany ireo tsy mbola naharenesam-baovao hatreto. Mahatratra 84 874 ny traboina manerana ny nosy. Mitsinjara ao anatin’ny faritra 17 ny 19 664 amin’ireo. Ma­hatratra 39 380 ny olona tsy maintsy nafindra toerana vonjimaika. Notsinjaraina amin’ny toerana samihafa miisa 143 ny 8 747 olona amin’izy ireo. Maherin’ ny 25 745 isa ny tanimbary dobo-drano vokatry ny rotsak’orana. Simba sy potika avokoa ny 1 072 isa, amin’izany. Maherin’ny 1 400 hektara ny voly vary tondraky ny rano ato amin’ny faritr’Analamanga, Analan­ji­rofo, Boeny ary Sofia. Ma­herin’ny 500 ny tokantrano simba.
Mbola misy ny lalana sy tetezana tapaka amin’ny la­lam-pirenena samihafa. Ani­san’izany ny lalam-pirenena fahaefatra sy fahaenina. Vo­katry ny fihotsahan’ny ampahan-dalana amin’izany. Efa nahitana fihenana ny ranon’ny sisaony tamin ‘ny faran’ny herinandro. Efa nitsahatra rahateo ny rotsak’orana ho an’ny eto Antananarivo manokana. Efa niverina any an-tokantrano ny traboina sasany. Miverina mianatra ny mpianatra manomboka androany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: