Afaka misento ny mpianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana. Hiroso amin’ny fampianarana ny mpampianatra taorian’ny filan-kevim-pirenena nataon’ny Seces.
Nanao filan-kevi-pirenena tany Toamasina ny mpikambana nasionaly ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) manerana ny Nosy ny herinandro lasa teo. Tapaka fa hiverina amin’ny asa fampianarana sy ny fikarohana ara-tsiansa manomboka ny volana febroary izy ireo. Io no nivoitra tamin’ny fehin-kevitra, nivoaka taorian’ny dinika notarihin’ny filoha nasionalin’ny ny Seces, Randriamialinoro Faliarivony. Mametraka fepetra kosa izy ireo. Anisan’izany ny handraisana fanapahan-kevitra ho fanajana ny halavan’ny fe-potoana amin’ny famitana ny taom-pianarana 2022-2023. Mitaky amin’ny fitondrana izy ireo amin’ny mba hahatomombana ny lamina rehetra. Anisan’ ireny ny fanarahana ny filàn’ ny vanimpotoana eny amin’ny toeram-pampianarana sy ny foibem-pikarohana. Tanjona hoy ny mpizaika ny aha-mpianatra mpianatra mahay ny tanora malagasy. Mba ho mpitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana no hivoaka avy amin’ny oniversitem-panjakana.
Momba ny zo sy ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka, mpitondra mandala ny zo sy hasina maha izy azy ireo no ilain’ny. Tsy eken’izy ireo ny olona tsy mitazona ny teny nomeny. Mampahatsiahy ny mpikambana, tsy mbola naloan’ny fitondrana ny “indemnité de recherches ” taona 2018-2022 ho an’ireo mpikaroka efa misotro ronono izay mbola miasa. Torak’ izany ny karaman’ny mpampianatra an-tselika ho an’ny taom-pianarana 2018-2019, sy ny “vacation” bakalorea.
Miandry ny famoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny tolo-dalàna mikasika ny fizakan-tenan’ny oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony ary ny foibem-pikarohana nasionaly ny mpampianatra mpikaroka hatramin’izao.
Vonjy