Toliara- Kolikoly : mitaraina amin’ny afitsoky ny mpiasam-panjakana ny mponina

Mampiaka-peo amin’ny hafitsoky ny mpiasam-panjakana sasany ao an-drenivohitr’i Toliara amin’izao fotoana izao ny mponina ao an-toerana. Milaza azy ho lasibatry ny tsindry hazolena, kanefa tsy manana tompon’andraikitra hitarainana intsony izy ireo. Trangam-piarahamonina ma­romaro toa ny herisetra, fanambaniana, vono olona avy any Ifaty izao no niaka­ran’ny vahoaka miaraka amin’ny sora-baventy, tao an-drenivohitry ny faritra, ny 25 janoary lasa teo. Nilaza ny mponina fa misy teratany vahiny, efa zanatany tsimatimanota. Voalaza fa sady manao fanamparan-kery no ahina ho tompon’ny fanaovana kolikoly izy. Mitaky ny handroahana azy ny mponina.
Ny faran’ny taona 2022 sy fiandohan’ny taona 2023, ohatra, notoriana fianakaviana iray noho ny fanosihosena ny hasina maha olona sy ompa variraraka. Rehefa namoaka «Soit transmis» ny fampanoavana mba ahafahana misambotra azy sy hanaovana fanadihadiana dia tsy mety tanteraka izany mandrak’izao. Ankoatra izay, nisy mpanakanto, nanao seho tamin’ny hotelin’ity vazaha ity, nivadihany ny vola. Nitory ilay artista. Nandefa ny taratasy fitoriana, hanaovana fanadihadiana sy fisamborana ilay tompon’antoka ny fampanoavana. Tsy nisy tohiny ihany koa izany. Toe-javatra roa samihafa, mampiseho fa misy tsy manao ny asany ny mpitandro filaminana sasany, noho ny antony tsy voafaritra mazava.

Miraviravy tanana
Ankoatra ireo, misy ny tranga iray, mbola mahasaringotra ity vazaha ity. Fikasi­han-tanana ny vadiny taloha ka nahafaty ny zanak’izy ireo. Voalaza fa nifamaly izy mivady. Natosik’ilay rangahy ka nianjera niaraka tamin’ny zaza ramatoa. Maty vokatr’izany ny zaza. Natsahatry ny fitsarana anefa ny fanenjehana ilay vazaha rehefa voalaza fa maty voapoizina ilay zaza. Voalaza fa diso ny filazana voalohany.
Amin’izao fotoana izao, miraviravy tanana ny mponina ka manao antso avo amin’ny manam-pahefana avy aty an-drenivohitra, hijery akaiky ny zava-misy. Tsiahivina fa efa voaroaka indroa miantoana teto Madagasikara ity vahiny ity saingy mahita ny fomba hiverenana foana. Efa nanaitra ny masoivoho, frantsay eto Madagasikara rahateo ny vahoaka, milaza fa lasibatra.

Randria

Partager sur: