Very ny 50 tapitrisa Ar : mpiambina nafatotra, vehivavy voaroba

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy, ny vehivavy mpandraharaha iray, omaly. Nafatotra ny mpiambina, noratraina ny tompon-trano. Voaroba ny 50 tapitrisa Ariary.

Vehivavy iray mpandraharaha etsy amin’ny fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely no lasibatry ny fanafihan-jiolahy, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny entana maro isan-karazany sy ny vola mitentina 50 tapitrisa Ar, tao an-toerana. “Tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teo ny fanafihana. Jiolahy enin-dahy nisaron-tava no nitsambikina ny tambohon’ilay trano ka nofatorany ny mpiambina iray tao an-toerana”, hoy ny fanazavan-dRavoson Michel, sefo fokontany ao Behitsy. Nandritra izay, niditra an-keriny tao amin’ilay trano ireo olon-dra­tsy ka nandrahona sy nandratra ilay vehivavy. Tsy vitan’izay fa mbola nandroba ireo finday miisa telo, solosaina iray ary kitapo nisy ilay vola voalaza etsy ambony. “Taitra tampoka aho nahita ilay antsy ka nanohatra ary niantso vonjeo ary io no nahatonga ny tanako ho naratra. Ny fahalalako azy dia ahina ho nomanina ilay fanafihana”, hoy ilay voatafika. Nambarany fa vao niharan’ny loza koa izy ny herinandro lasa teo. Nisy olona nifamaly taminy, antony nahatonga azy niahiahy ity tranga ity. Fantatra ihany koa fa misy “caméra de surveillance” ao amin’ilay lasibatra saingy tsy nandeha izany tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Efa tonga eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ity raharaha ity ka anatin’ny famotorana tanteraka ny zandarimarian’Ambohi­mangakely.

Niharan-doza

Mpandraharaha ara-barotra ity vehivavy voatafika ity. Mpanafatra entana avy any Sina izy ka mivarotra izany amin’olona. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa tratry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny “rocade Iarivo” izy tapa-bolana lasa izay ka very vola sady naratra. Niditra hopitaly mihitsy noho izany. Taorian’io, saika hamangy ireo mpiara-miasa aminy kanefa tsy nanaiky izany izy ho fiarovana ny ainy. Fidiana mihitsy ireo izay afaka nijery azy tamin’izany, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Etsy ankilany, betsaka ireo nana­fatr’entana taminy no mbola tsy nahazo izany.
Vokany, niahiahy ity trangan-javatra ity ny olona. Andro vitsy taorian’izay, na­nao fanambarana tamin’ny “facebook” izy fa ho avy ny entan’ireo izay nanafatra iza­ny. Izao nisy ity trangana fanafihana izao indray. An­drasana ny tohin’ny famoto­rana.

Henintsoa H.

Partager sur: