Nisy fivoarana sy ezaka. Namoaka fanambarana amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo.
Nivoitra tamin’izany fa nihatsara toerana amin’ ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara, tao anatin’ny efa-taona farany. Nanomboka ny taona 2019 izany ka nahazoantsika toerana any amin’ny faha-16. Tsy nifanalavitra amin’izany ny taona roa farany, ny taona 2021 sy 2022. “Tsy azo odian-tsy hita izany ezaka lehibe izany”, hoy izy. Anisan’ny nahazoana ny fahombiazana ny politikan’ny famerenana an-tanindrazana sy fanagiazana ireo harena sy fananana, azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, nivoaka tany ivelany, araka ny nambarany. “Manampy izany koa ny “Digitalisation” ka nampihena ny kolikoly eny anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Eo koa ny fanaraha-maso hentitra ny tsenam-baro-panjakana”, hoy ihany izy.
Nohitsiny koa fa niezaka nanohana sy nanampy ary nanokana tetibola ho amin’ izany ady amin’ny kolikoly izany ny fitondram-panjakana. Mandiso ny fanambaran’ ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM). “Niakatra hatrany ny tetibola niadiana amin’ny kolikoly ka 12 miliara Ar izany ny taona 2018 ary niakatra 19 miliara Ar izany ho an’ny taona 2019”, hoy izy.
Nahitsy ny tetibola sy ny politikam-pitsitsiana
Nanteriny fa tsy maintsy nahitsy ny tetibola noho ny politikam-pitsitsiana sy ny krizy ara-toekarena maneran-tany vokatry ny Covid-19. Nanokanana vola 15 miliara Ar izany ny taona 2020 ary tahaka izany koa ho an’ny taona 2021, araka ny nambarany hatrany.
Nampiakarina kosa izany ho an’ny taona 2022 ka tafakatra hatrany amin’ny 17 miliara Ar. Tafiditra ao anatin’izany ny nametrahana ny rafitry ny Arai sy ny nanendrena ny tale jeneralin’izany sampandraharaham-panjakana izany, araka ny nambarany hatrany.
Midika izany fa tokony hanadihady lalina ireo fiarahamonim-pirenena, misahana ny fandrefesana ny ady amin’ ny kolikoly, tahaka ny TI-IM, eto amintsika. Momba ny fanenjehana ireo tsimatimanota kosa, nanteriny fa efa mazava ny fisarahan’ny fahefana ny amin’izany. “Manao ny ezaka rehetra ny fanjakana manoloana ny ady amin’ny kolikoly”, hoy ihany izy.
Synèse R.