Boriborintany fahaenina: havaozina ny fotodrafitrasan’ny tsena rehetra

Nidina ifotony teny ani­von’ny tsenan’Ambohima­narina ny ben’ny Tanàn’Anta­nanarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Antony, mba hahafahany mijery sy mihaino ireo fitarainan’ny mponina sy ny mpivarotra eny an-toerana. Nandritry ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàn’Anta­nanarivo fa tsy maintsy hohavaozina ny fotodrafitrasa rehetra eo anivon’ny tsena. Nohamafisiny fa asiana jiro manazava “eclairage pubic” manodidina ny tsena. Mba hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asa ratsy rehetra eny an-toerana. Nam­barany fa mahazo alalana hanao fangatahana eny amin’ny jirama ireo mpivarotra. Ankoatr’izay, nitsidika ny boriborintany fahaenina ihany koa izy. “Hampitomboana ny fahefan’ny delege eny anivon’ny boriborintany, hojerena ny sosialin’ny mpiasa ary hampitomboina ireo fitaovana entina manao ny asa” hoy ny ben’ny Tanànan’Antanana­rivo, Andriantsitohaina Naina. Nohamafisiny tamin’ireo mpiasa sy mpivarotra fa tsy maintsy hidina in-droa isaky ny telo volana eny ifotony ny tenany. Mba hijereny ny zava-misy sy hanomezany vahaolana mifanandrify amin’ireo olana sy hetahetan’ny mponina no antony.
Maro ny fitarainana sy fangatahana nataon’ireo mpivarotra tamin’ny ben’ny Ta­nà­na. Toy ny tsy fisian’ny jiro sy rano eo anivon’ny tsena ary ny tokony hanavaozana indray ny tsena. Ankoatr’izay, nangataka ny hisian’ny daba-pako sy hanadiovana ny lakandrano eny an-toerana ihany koa ireo mpivarotra sy ny mponina. Anisan’ny nangataka sy nitaraina tamin’ny ben’ny Tanàna ireo mpiasa teo anivon’ny boriborintany fahaenina. Takin’izy ireo ny hijerena ny sosialin’ny mpiasa, ny hanampiana ny fitaovana hoentina miasa ary ny hanohizana ny fotodrafitrasa.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: