Dimy andro taorian’ny filazan’ny Filoham-pirenena fa hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondrana izay tarihiny dia miandry ny vahoaka any ifotony. Nilaza ny handeha hitety faritra izy, ka handrasana ny tetiandro mahakasika izany. Efa mivoajamala ny tra-boina, izay sady noana no rava fananana. Manginy fotsiny ny fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana, iarahana amin’ny besinimaro. Mafy ny ady raha fehezina ny zava-misy. Izao ny vanim-potoana ilana ilay fomba fiasa haingana sy mahomby. Tsy hoe « werawera » fa tena filana sy tsy maintsy hampiridanana ilay lamasinina haingam-pandeha na ny TGV.
Hatreto, tsy mbola misy ny hetsika manokana sy ofisialy ho fanampiana ny mpiray tanindrazana. Tsy mbola misy ny tena vonjy rano vaky, afa-tsy ny fiarabe mitety faritra amin’ny fizaham-pahasalamana na ny « caravane médicale », izay nanainga, omaly. Voalohan-karena tokoa ny fahasalamana, ka rariny sy hitsiny raha natao ho laharam-pahamehana ity teboka iray ity. Ny olona salama sy tomady rahateo no afaka hanarina ny fahavoazana sy hiatrika ny fanarenana izay tsy maintsy hirosoana. Tsy ho vitan’ny fanjakana irery, tsy hiandrasana azy ihany koa moa ny asa rehetra, fa miainga amin’ny finiavana isan-tokantrano.
Na eo aza izany, tomponandraikitra voalohany amin’ny fitsinjovana ny vahoaka, anisan’ny tokony tsy ho tsinontsinoavina ny sakafo sy ny filàna andavanandron’ny mponina. Ny tsinay tsy mba vatsy, ny kibo tsy mba lamosina, tsy maintsy hilofosana ny fitadiavana izay hatokona. Mila ataon’ny Filoham-pirenena, izay kapitenin’ny ekipa, ho loha-lisitra ihany koa ny vary sy ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Dia sanatria ve ho ambakan’ny olo-tsotra ny tolo-tanana homen’ny fanjakana ny mpiray firenena izay efa miraviravy tanana ny ankamaroany ?
Araraotina ny manipy teny ho an’ny mpanao politika sasany, miara-dalana amin’ny Filoham-pirenena. Misy dia any amin’ny « tsy mivonto no manaintaina ». Maika hanao serasera ho an’ny tenany manokana, ka tsy mahalala izay tena filàna fototra tadiavin’ny vahoaka madinika. « Te ho deraina », fa loha-laharana, hany ka mainka manimba ny sarin’ny Filoha. Tsy ilay fihetsika sy ny zavatra atolony no kianina fa ilay tsy fifehezana izay tokony ho laharam-pahamehana amin’ny sosialim-bahoaka. Sanatrian-dresaka, mandatsa ny efa tsy fisiana ny an’ny sasany.
Miandry ny Filoham-pirenena ny ankabeazan’ny vahoaka malagasy, taorian’ny lahateny miezinezina nataony iny !
r.r