Teo am-pijerena Barea: lehilahy voatafika, maty voatsatok’antsy

Maty voatsindron’antsy teo amin’ny fony ny lehilahy iray, omaly, tetsy Ambalavao Isotry. Nisy nanafika tao an-tsenany izy, nandritra ny lalaon’ny Barea sy ny liona avy any Sénégal.

Lehilahy iray, 22 taona tompona tsena fivarotana kojakojam-bisikleta iray etsy Ambalavao Isotry no tra-doza, omaly vao mangirandratsy. Voatsatok’antsy noho ny hetraketrak’ireo jiolahy nanafika azy izy ka tapitra hatramin’ny ainy. Afako­maly alina mbola nijery baolina nifandonan’ny ekipam-pirenena sy ny avy any Séné­gal ny tenany. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo, nanao ny asa ratsiny ny mpangalatra nanokatra ny tsenany. Raikitra ny fifandonana ka tsy namelan’ny jiolahy ity tompon-tsena. Voatsatok’antsy teo amin’ny fony izy ka naratra mafy. Mbola noentina teny amin’ny sampana vonjy ai­nan’ny HJRA ity niharam-boina saingy indrisy tsy tana ny ainy. Etsy ankilany, voasambotry ny fokonolona kosa ilay voalaza ho nahavanon-doza..

Nihinana poizim-boalavo
Ankoatra ity, nahitana faty olona teny Ambatomitsan­gana, fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangake­ly. Lehilahy iray 45 taona no nitsirara tao anaty bozaka, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo. Noho izany, nampandrenesina ny zandarimaria teny an-toerana. Mini­tra vitsy taorian’izay, tonga ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera nijery ny zava-nisy. Nahitana taratasy (CV) teny amin’ilay maty, tsy lavitra azy teo koa ny tavoahangy plastika misy toaka ary harona kely misy poizim-boalavo. Hita nandritra ny tsirika nataon’ny mpitsabo fa nisy faroratra fotsy nivoaka ta­min’ny vavany. Voamarina tamin’izay fa nihinana poizim-boalavo ilay lehilahy, antony nitarika ny fahafatesany. Fantatra ny mombamomba azy. Rakotovahoaka Tsiry Rindraniaina no anarany ary monina eny amin’ny fokontany Antanambao izy, araky ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria. Taorian’izay, nantsoina ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina mba hanome fiara hitondrana ilay vata-mangatsiaka. Natolotra ny fianakaviany kosa izany rehefa avy nozahan’ny mpitsabo. Mandray an-tanana ny famotorana ny zandarimarian’ Ambohimangakely.

Henintsoa Hani

Partager sur: