Naratra mafy vokatry ny hatezeran’ny fokonolona, mpangalatra kisoa iray namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsimanao, kaominina Ivato-Centre, distrikan’ Ambositra afakomaly tolakandro. Nangalatra kisoa tao amin’io fokontany io, saron’ny tompom-biby ity lehilahy ity. Mbola nandà, arak’izany, ny tenany fa tsy mpangalatra. Tsy vitan’io, niezaka nampitahotra ireo olona nikasa hisambotra azy tamin’ny antsy be teny an-tanany ity mpangalatra ity. Tsy nilefitra anefa ireo fokonolona ka raikitra ny fifampikasihan-tanana. Vokany, nisy ireo nikapa tamin’ny famaky ary tao ny nively tamin’ny hazo, nidaroka ny sasany. Tsy nahatohitra ny be, arak’izany, ilay mpangalatra ka lavo. Noho ny fahatsapan’ny olona sasany ny ratra mafy nahazo io mpangala-kisoa io, nentin’izy ireo namonjy ny toeram-pitsaboana ilay lehilahy. Nijininika anefa ny ra teo amin’ny lohany izay voakapa famaky ka nitarika ny famoizany ny ainy. Naharay antso ny zandary ka nijery ny zava-nisy tao an-toerana. Tsy mbola fantatra ny mombamomba ity mpangalatra lavo ity. Napetrak’izy ireo eo anivon’ny CSBII ao an-toerana ny vata-mangatsiakany mandra-pahatongan’ny fianakaviany.
Iray hafa nangalatr’omby
Dahalo iray hafa nangalatr’omby tao amin’ny fokontany Fierena, kaominina Antambohobe, distrikan’i Vohibe koa maty novonoin’ny fokonolona, ny 31 janoary teo tamin’ny 07 ora sy sasany alina. Hitan’ny tompon-trano teo am-pangalana ny omby ity olon-dratsy ity. Niantso vonjy avy tamin’ireo manodidina io lasibatra io ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa alavitra, voasambotra ity dahalo ity. Nifanotofan’ireo vatan’olona nodarohina izy ka maty teo noho eo koa. Nataon’ny mpitsabo niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ny fizahana ny vatana mangatsiakany. Voa mafy teo amin’ny lohany koa ity dahalo ity. Natolotra ny havany ny razana ka efa voalevina.
Tsiferana R.