Governoran’ny BFM : hofehezina ny fidangan’ny vidim-piainana

Handray ny asany ny governora vaovao ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo. Tsapany tokoa fa ilaina ny haha marin-toerana ny Ariary ary mila fehezina ny fidangan’ny vidim- piainana.

Mankato ny fanendrena ny governoran’ny Banky foiben’i Ma­da­gasikara (BFM) ny filankevitry ny minisitra, aorian’ny soso-kevitra aroson’ny filankevi-pitananana. Nandray ny fianianany, omaly, ny governora vaovaon’ny Banky Foi­ben’i Madagasikara, Andriana­rivelo Aivo tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana tampony Anosy. Fo­toana natao, mialoha ny handraisany ny asany sy ny andraikiny. Nianiana ny tenany fa hanatanteraka ny asa sy ny andraikiny, ao anatin’ny fanajana ny lalàna manan-kery, mifanaraka amin’ny satan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BCM). Nambarany koa fa tsy hamoaka ny zavatra fantany
na efa tsy am-perin’asa intsony aza izy any aoriana. Mandritra ny dimy taona ny faharetan’
ny fotoam-piasany, ary azo
ha­vaozina indray mandeha ihany.
Andraikitry ny Banky foiben’i Madagasikara, ny miantoka ny fahamarinan-toeran’ny Ariary. Izy irery ihany koa no hany manana fahefana hanota ny vola malagasy.
Nambaran’ny governoran’ny BFM, Andrianarivelo Aivo, fa anisan’ny tena hojereny ny mikasika ny fahamarinan-toeran’ny sandam-bola Ariary sy ny fidangan’ny vidim-piainana.
Tsikaritra tokoa, nanomboka ny fiandohan’ny taona 2023 teo, fa tsy nitsahatra nihen-danja ny sandambola ariary. Manodidina ny 4.700 Ar ny sandan’ny Euro, ary nahazo aina kely 4.600 Ar taty aoriana. Omaly zoma, nisanda 4.645 Ar ny 1 Euro, raha 4.278 Ar ny 1 dolara.
Ambony indrindra ny vidim-piainana
Mikasika ny fidangan’ny vidim-piainana, anisan’ny ambony indrindra ny tamin’ny taona 2022, tafakatra +9,3%, ambony indrindra, raha 5,4% ny taona 2021. Iaraha-mahita fa nidangana tokoa ny vidin-javatra, indrindra hatramin’ny nisondrotan’ny vidin-tsolika ny volana jolay 2022. Ni­sondro-bidy nanaraka izany koa ny entana ilaina andavanandro, ary tena nisongadina ny vidim-bary izay tsy latsaky ny 3.000 Ar intsony ny kilaon’ny vary vokatra eto an-toerana.
Nanamarika ny tale jeneralin’ny banky BNI, sady filoha lefitry ny fikambanan’ny banky (APB) eto Madagasi­kara, Alexandre Mey, fa niakatra ambony ny tahan’ny zanabola tamin’ny taona 2022. Nisy ny fiaraha-midinika teo amin’ireo bankim –barotra sy ny banky foibe, mba hifehezana ny fidangan’ny vidim-piainana, ary antenainy fa hitohy izany amin’izao fisian’ny governora vaovao izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Maro ny andraikitra ambony sy mavesatra efa noraisin’ny governora vaovao ny BFM, Andrianarivelo Aivo. Saika tao anatin’ny tontolon’ny vola sy ny banky hatrany no tena niasany. Raha ny farany, adminisitratera tao amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), nisolo tena firenena afrikanina miisa 23. Talohan’izany, niasa tao amin’ny orinasam-panjakana Fonds de portage et de privatisation. Efa niasa tany amin’ny banky UCB, ny fikambanana ONG Catholic relief service.

Partager sur: