Jeneraly Camille Vital : “Tsy ho kandidà filoham-pirenena aho…”

Nitondra fanazavana sy ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Hiaraka isika, tarihin’ny Jly Camille Vital. Notsiahiviny fa tantara sisa ny naha kandidà azy ka tsy hilatsaka intsony izy na eo aza ny traikefany. Mpanohana ny filoha Rajoelina Andry ny Hiaraka isika ary tsy mpamadika ka hanohana azy izy ireo raha hilatsaka, araka ny nambarany. “Hitanay ny ezaka nataony nefa tsy mora ny manao zavatra. Ekena ny lesoka. Tokony hotohizana ny ezaka vita…”, hoy izy.
Etsy andaniny, nanteriny fa tompon’andraikitra sy mahalala ny tsy mety ao amin’ny governemanta ny filoha ka anjarany ny mijery izany amin’ireo notendreny sady hotsarainy. “Jereny eo ny ha­solo ireo tsy nahomby fa tsy izahay no hitsara ny go­ver­nemanta. Arakaraka ny fahitany azy ny hanalana na ha­noloana izany”, hoy izy teny Ambatobe, omaly.
Nambarany fa mipetraka ny fahalalahana matoa afa-maneho hevitra ny “Lera”. “Tsy fotoan’ny korontana in­tsony izao ary tsy mendrika antsika izany. Ho avy ny fifidianana ka tendreo ny kandidànareo. Isaorana anefa ianareo tamin’ny torohevitra hanarenana ny tsy mety… “, hoy izy. Notsindriny fa tena misy tokoa ny demokrasia sy ny fahalalahana eto amintsika, amin’izao fotoana izao.

Nomeny lesona ny “Lera”
Nomeny lesona ireo ekipan’ny “Lera” mba tsy hitazam-potsiny. Tokony mba midina ifotony mizara sy manampy ireo traboina na manohana ireo Kere any atsimon’ny Nosy, araka ny nambarany hatrany.
Notsiahiviny koa momba ny fiarahana eo anivon’ny Armada, amin’ny fanohanana ny fitondrana. Nanteriny fa ni­kisaka ny sasany amin’izy ireo eo anivon’io vovonana io. “Tsy mbola nametra-pialana eo anivon’ny Armada ny MMM saingy niala amin’ny fitondrana. Mbola mifampiresaka tsa­ra izahay ary mandresy lahatra azy ireo. Azy anefa ny fanapahan-kevitra ary samy olon-dehibe”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: