Hanokatra ny taom-pambolen-kazo amin’ity taona 2023 ity ny Tily eto Madagasikara ny alarobia 15 febroary izao eny amin’ny Tranombitsika Antsahamarofoza. Manao fanamiana ary mitondra ireo fitaovana ahafahana manao ny fambolen-kazo ireo rehetra hanatrika izany. Ny 22 febroary kosa no mifanentana ny Tily rehetra amin’ny fanomezan-dra maimaimpoana hotanterahina eny amin’ny CRTS JHRA. Hahazo karatra manokana ireo Tily nanome maimaimpoana ho fanamarihana ny tolotra nataony. Maneho ny firaisankina hatrany ny Tily amin’ny fampandrosoana sy anjara biriky entiny amin’ny hetsika ho an’ny firenena sy eny amin’ny fiarahamonina.
Miisa 48 000 ireo zanakazo novolena tamina velaran-tany 30 ha teny amin’ny Station forestière Marohogo, Mahajanga II ny faran’ny herinandro teo. Hetsika mampitombo ny velaran-tany rakotr’ala, hampiverina araka ny tokony ho izy ny toetr’andro, ny rotsak’orana ary ho fitazomana ny nofon-tany. Handrindrana ny hery velona rehetra amin’ny fiavana sy fanaovana tata-môtro hiarovana amin’ny afo. Velaran-tany 30 000 Ha misy hazo maniry no may, hoy ny DIREDD Boeny-Betsiboka ary ny 2/3 dia ala voajanahary. Mandray ireo fangatahana zanakazo ny DIREDD ary tsy vidiana izany fa maimaimpoana. Karazan-janakazo haingam-paniry, mahatanty doron’andro sy orana no novolena : Bonara, Khaya senegalensis, Hazo mena, Mantaly ary Madiro. Nisy ny tekinika vaovao napetraka mba hampitombo malaky ny zanakazo dia ny “système d’arrosage goutte à goutte”.