Tanàna nifanafika: olona enina maty, trano miisa fito may

Nifanafika ny mponina ao Besakoakely, kaominina Esira sy ny avy amin’ny tananan’i Emitray, ny asabotsy lasa teo. Vokany, olona enina maty. Nisy trano fito may.

Velona ny hazolava tao amin’ny fokontany Be­sakoakely, kaominina Esira, distrikan’Amboasary atsimo, ny asabotsy hariva teo. Nitrangana fanafihana nataon’ andian’olona tao an-toerana. Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Tao koa ireo nandoro sy nandrava ny tanàna. Vokany, olona miisa enina no maty ka olona avy ao Esira ny dimy tamin’izany, olona avy ao Emitray kosa ny iray hafa. Ankoatra izay, trano miisa fito kilan’ny afo, efatra hafa kosa nirodana, hoy ny loharanom-baovao iray. Nam­barany tamin’izany fa olona avy ao Emitray iretsy nirongo fitaovam-piadina sy zava-ma­ranitra nanafika tanàna iretsy. Tsy nitsitsy ireo mpiara-belona taminy ireo mpanafika fa dia nandravarava izay nifanena taminy. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola miantrana any an-toerana ny mpitandro filaminana, manara-maso ny zava-misy sy ma­nao famotorana ity vono olo­na mahatsiravina ity. Fantatra fa mbola saika nisy fifandonana ihany koa hatramin’ny omaly maraina. Loharanom-baovao iray hafa kosa nilaza fa nandefasana mpitandro filaminana hafa kosa any an-toerana, omaly, manampy isa ireo efa any.

Vono olona

Tsy voafaritra mazava ny anton’ity fanafihana ity. Ao kosa ireo nilaza fa nitrangana vono olona tsy fantatra tao Esira andro vitsy lasa izay. Nambarany fa olona avy ao Emitray ireo voatondro ho na­havanon-doza ka izao nifanafika izao ny roa tonta. Nieza­ka nitady fanampim-baovao mahakasika izany ny mpanao gazetinay fa tsy nahazo valiny mahafa-po. Andra­sana ny to­hin’ny fanadihadiana. Mam­pahatsiahy ny raharaha “Re­menabila” ity trangan-javatra niseho tany Esira ity nandritra ny fanafihan-dahalo nahazo vahana tamin’iny tapany atsimo iny ny taona 2012. Maro ireo aina nafoy sy trano nodoran’ny dahalo.

Henintsoa Hani

Partager sur: