«Ity foko ity»: hiara-hihira ny fitiavana i Rija R. sy Bodo ary Nate Tex

Hanjakan’ny tsikombakomba. Izay raha tarafina tamin’ny famerenana ny mety ho endrik’ilay fampisehoana “Ity foko ity”. Hihira ny fitiavana manontolo ireo mpanakanto miara-mamolavola izany…

“Andao hifampizara fitiavana”, hoy ny fanentanan’ireo mpanakanto. An­isan’ny seho goavana amin’ ireo maromaro entina hanamarihana ny “Saint Valen­tin” amin’ity ny “Ity foko ity”, iarahana amin’i Rija Ramanantoanina, Bodo ary Nate Tex. Hotontosaina ny sabotsy 11 febroary izao io, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Plaza Ampefiloha.
“Hiaraka hihira, ho toa ny tarika iray mihitsy izahay amin’io fotoana io. Marina fa azo lazaina hoe efa raiamandreny izaho sy i Bodo raha oharina amin’i Nate Tex, kanefa tena afa-miaraka tsara na ny mozikanay na izahay mihitsy. Izy sady mampihomehy iny ka mandeha ho azy ny famerenana”, hoy ny nambaran’i Rija Ramanantoanina.
Araka izany, mpitendry iarahana no eo an-tsehatra, hitrotro ireto mpanakanto telo samy manana ny lazany ireto. Misy amin’ireo no efa mpanaraka an’i Rija Ramanantoanina sy i Bodo, toa an’ i Rivokely, izay hilalao ny orga “Diamondra” amin’ity. “Hisy fotoana samy hanao ny hirany. Hisy ampahany betsaka kosa ho an’ny fampiaraham-peo. Hihira ny fitiavana zato isan-jato izahay, saingy tsy ilay tsara foana fa mba hisy ihany koa ny tantaram-pitiavana mampalahelo”, hoy hatrany i Rija.
Raha zohina tokoa, saika hiram-pitiavana avokoa ny sangasan’I Rija Ramananto­a­nina, Bodo ary i Nate Tex. Ito farany, ohatra, manana sanganasa maro ankafizin’ny sokajin-taona rehetra na dia anisan’ireo mpanakanto ta­no­ra aza. Ny antony? Mian­galy ny tononkira ary manoratra ny tantaram-pitiavana amin’ny endriny maro i Nate Tex, raha tsy hilaza afa-tsy ny “Mahatalanjona”, “Tsa­ra-tso­drano”, “Fitia” ary ny “Tsy miova” izay nivoaka faramparany teo.
“35 taona izay no nifankahalalantsika… Mbola hisy fotoana hiresahako izay aminareo, sy ny hankalazantsika azy. Fa ity kosa fampisehoana hanombohana ny taona, hihirana ny fitiavana, miaraka aminareo hatrany”, hoy kosa i Bodo, tanatin’ny “video” izay nataony.

Zo ny Aina

Partager sur: