TARATRY ny KANTO

« Ilo sy Tsiky », antsan-tononkalo hotonto­saina ao amin’ny kolejy SFX Ambatomena Fiana­ran­tsoa, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hizara ny sanganasany mandritra izany i Hasi-Noro, poeta mpikambana amin’ny Faribolana Sandratra Fianarantsoa. Havoaka mandritra izany ihany koa ny boky mirakitra ireo asa sorany. Aorian’izay, hotontosaina anio ny dingana famaranana an’ilay fifaninanana tononkalo nokarakarain’ny sampana.

Hiresadresahana ny tantaran’ny fandalovan’ ireo mpivarotra mpitety firenena taloha tao Nosy Be, ny « Café Histoire » anio maraina, etsy amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy. Hitarika izany ilay mpahay tantara, Samuel Sanchez. Fampahafantarana ho an’ny sasany, fanampim-pahalalana ho an’ireo izay efa mahafantatra ny mampifamatotra an’i Nosy Be amin’ireo firenena maro, vokatry ny fivezivezen’ireo mpandraharaha ara-barotra isan-karazany izany.

Nitombo iray ny toerana hoenti-mianatra sy mandalina ny zavakanto sy ny zavapanahy eto an-dRenivohitra. Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny foibe fikarohana sy fanabeazana momba ny fomba amam-panao sy kolontsaina Zanabaliha. Anisan’ny taranja ianarana amin’izany ny momba ny fanahy maha olona, ny raokandro, ny fifamatoran’ny lamina voajanahary, sns.

Hifarana anio ny “Hadimiana Sandratra”, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hisy ny atrikasa momba ny tantara tsangana ny maraina, izay hotohi­zana amin’ny fanehoana ny « Angatry ny lasa », ny hariva amin’ny 2 ora sy sasany. Teatra poetika izy ity, hato­lotr’ireo mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra hatrany.

Partager sur: