Basikety-Mondial 3×3 : mbola manana ny anjara toerany ny vehivavy malagasy

Fandaharam-potoana le­hibe miandry an’i Madagasi-kara, amin’ity taona 2023, eo amin’ny taranja basikety, ny fiatrehana ny fiadiana ny am­boara eran-tany 3×3. Efa tafita hiatrika izany ny ekipa malagasy lehilahy, mbola hiady toerana kosa ny sokajy vehivavy. Mbola manana ny anjara toerany anefa ireto farany, misy toerana telo banga amin’ ity “Mondial 3×3” ity. Tsiahi­vina, firenena miisa 20 ny hiatrika ny fifaninanana. Ekipa 17 no efa fantatra ho an’ny vehi­vavy, toa an’i Autriche, Bresil, Canada, Chine, Egypte, France; Allemagne, Hongrie, Italie, Japon, Lithuanie, Mongolie, Pays-Bas, Pologne, Romanie, Espagne, USA.
Ekipa 20 toy izany koa ho an’ny sokajy lehilahy izay efa fantatra avokoa , ahitana an’i Australie, Autriche, Belgique, Brésil, France, Allemagne, Japon, Letonnie, Lithuanie, Madagascar, Mongolie, Pays-Bas, Pologne, Porto Rico, Serbie, Suisse, USA.
Marihana fa ny 6 sy 7 mey ho avy izao no hiatrika ny lalao sakana hiady io toerana io ny ekipa malagasy vehivavy. Efa mikotrana mafy, araka izany, ireo mpilalao izay ma­nana fahavonona handrombaka ny tapakila ho any Viennes, Autriche. Efa niverina nanao fanazaran-tena ireo mpilalao miaraka amin’ny mpanazatra, rehefa avy niato kely nandritra ny fety. Nisy ihany koa ny toromarika avy amin’ny mpitantana ny federasiona mala­gasin’ny basikety nomena azy ireo, nialohan’ny fanazaran-tena.

Mi.Raz

Partager sur: