Horonan-tsary mamoafady: tratra ireo mpirahavavy mampiasa zaza tsy ampy taona

Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha momba ireo mpirahavavy nanao sarimihetsika mamoa­fady. Ny zanany vao dimy taona ihany no nampilalaovina.

Fantatra tao anatin’izay fa 25 sy 21 taona izy roa­vavy ireto. Manan-janaka lahikely dimy taona ity zoky vavy. Nifanaraka iretsy mpirahavavy fa ilay ankizilahi­kely no hanaovana ity zava-mamoafady ity niaraka amin’ ilay rahavavin-dreniny. Tsy vitan’ny manimba sy mamo­tika fiainan’ankizy izy ireo fa hataony fitadiavam-bola mi­hitsy izany. Araka izany, amidy 10€ na koa manodidina ny 46.000Ar amin’ireo teratany vahiny ny horonantsary iray. Voalaza tao anatin’ny famotorana fa tsy vao izao akory ity zava-tsy fampiseho masoandro ity. Efa fanaon’izy mirahavavy izany ary saika ahi­tana ankizy tsy ampy taona daholo ireo horonan-tsary isan-karazany. Manana paik’ ady handresen-dahatra ireo ankizy mihitsy izy ireo, resahany moramora ilay zaza ka hoentiny miaraka aminy. Tam­bazany hividianan-javatra kosa rehefa vita izay natao.

Tsy lasa lavitra
Niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera ireo sary sy “vidéo” feno vetaveta. Nisy nitondra teny amin’ny polisy ny raharaha, nisokatra nana­raka izay ny fanadihadiana. Vokany, voasambotra ireto mpirahavavy. Mbola tompon’ antoka amin’ny fanaparita­hana ireo horonan-tsary ma­moafady koa izy ireto. Niaiky ny asa ratsiny iretsy voasambotra. Nanaporofo izany koa ireo “video” hita tao anatin’ny findainy. Ankizy ao an-tranony ihany koa no fanaovana ity tranga mamoafady ity. Fan­tatra fa manodidina ny dimy ka hatramin’ny 14 taona ireo ankizy hatao fitadiavam-bola.

Henintsoa Hani

Partager sur: