Tenisy – Afrika U18: hiatrika ny manasa-dalana i Miotisoa sy i Gloriana

Hotanterahina androany, ny lalao manasa-dalana iarahan’ny olon-droa, taranja te­nisy, Afrika sokajy vehivavy U18. Fifaninanana atao any Le Caire, renivohitr’i Egypte. Hifanandrina amin-dRasendra Miotisoa, mpilalao Malagasy sy Gloriana Nahum, mpilalao Bénin, amin’izany ry Jermine Sherif sy Mariam Atia, mpilalao Egypsianina.
Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana an’izy roa mirahavavy ireto, lavon’i Miotisoa sy i Gloriana tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 6/0), ry Marie Louise Van Zyl sy Erin Mc Kenzie, mpilalao Afrikana atsimo.
Ankoatra izay, nihintsana teo amin’ny lalao ampahavalon-dalanan’ny fifaninanana natao ho an’olon-tokana so­kajy vehivavy U18, Rasendra Miotisoa, omaly. Lavon’i Nadine Abid, mpilalao Toni­zianina, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/1, 2/6, 6/2) i Miotisoa. Ta­min’ny fifaninanana hiadiana ny laharana na “match de clas­se­ment” kosa dia resin-dRabarijaona Tefy Ranja ta­min’ny seta 2 no ho 0 ( 4/1, 4/2) i Thompson Thomu, mpilalao avy any Zimbabwe.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: