Toamasina: mahaliana olona maro ny Muay Thai

Anisan’ny taranja vaovao, saingy ankafizin’ny ankizy sy ny tanora maro, na ny  ray aman-dreny aza, ao Toamasina ny haiady “Muay Thai”. Fantatra izany nandritra ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena, izay notanterahina tao amin’ny Club Nautique, ny alahady 5 febroary lasa teo. Ny maitre Mamy na ” Ajarn Mamy”, no nitarika ny hetsika, izy no tale tekinikan’ ity taranja ity eo anivon’ny federasiona. Izy ihany koa no mpampiofana iraisam-pirenena any an-toerana. Na dia hita fa mafy sy mety handratra aza ny taranja, dia maro no liana. Efa misy rahateo ny fepetra sy lalàna hifampifehezan’ny mpi­katroka. Naha­variana ireo katitakely ny lalao. Nisy sekoly iray manontolo nitondra ny mpianany nanatrika ny hetsika.
Raha hiverenana ny taranja Muay thai, ny Thailandais no namorona azy. Avy tamin’ny fanatsarana ny teknika haiady “kick Boxing” ny Muay thai. Tamin’ny volana oktobra 2022 lasa teo, efa nandrombaka ny medaly volamena miisa sivy sy alimo enina ary volafotsy dimy, ny atletan’Atsinanana nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara natao taty Antananarivo. Marihina fa ma­nana klioba miisa dimy ny ligin’ i Toamasina.

Fitia (Mpianatra asa) sy Sajo

Partager sur: