Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola ny hetsika “Men in Blagues”. Anio 10 febroary 2023, amin’ny 3 ora tolakandro hatramin’ny 5 ora hariva no hanatanterahana izany. Ny Gasy Stand Uppers miara-miasa amin’ny IKM no mikarakara ny hetsika.
Efa manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny hetsika ara-kolontsaina rehetra. Isan’izany ny hetsika “Men in Blagues”, fampisehoana hatsikana ataon’ny Gasy Stand Uppers, eny amin’ny IKM Antsahavola, isaky ny zoma faharoa amin’ny volana. Voafetra ho 10 minitra ny anjaran’ny olona iray mandritra ny hetsika. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra, indrindra ny mpanao Stand up.
Hetsika tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana ny Stand Up eto Madagasikara izao atao izao. Ny Stand Up izay karazana hatsikana isan’ny zandriny indrindra, raha eto Madagasikara. Manana ny mampiavaka azy manokana izy raha oharina amin’ny hatsikana tranainy.
Lin (Mpianatra asa)