Herisetra: nodoran’ny raikeliny antsy mahamay ny tongony

Hiakatra fampanoavana ny alatsinainy izao ilay raikely nampijaly ny zana-badiny teny Mahitsy. Ny alakamisy tokony ho tamin’ny 06 ora hariva teo, nahazo antso mahakasika ity zava-doza ity ny zandarimarian’Ambohidratrimo. Nitoroka ilay raharaha ny sefo fokontany ao Bemasoandro, kaominina Mahitsy. Nilaza izy fa lehilahy iray nahavita nandoro ny faladia-tongon’ny zana-badiny tamin’ny antsy mahamay. Teo no ho eo ihany, nidina an-tsehatra ny mpitandro filaminana nijery sy nanamarina ny zava-nisy.Tratra tao an-trano ilay nahavanon-doza. Mbola hita tao an-toerana ihany koa ilay antsy nandorana an’ilay zazalahy. Nalefa vonjimaika teny amin’ny hopitalin’i Mahitsy ilay lasibatra.

Voalaza ho tsy nahatsindry fo ilay raim-pianakaviana.  Nanampatra ny toetra ratsiny, nandritra ny tsy naha- tao an-trano ny renim-pianakaviana vadiny.  Avy nobedesina ilay ankizilahy, avy eo nodorana.

Matetika mitsoaka ny trano mitady an-dreniny ity ankizilahy 10 taona ity. Bedin-dRalehilahy matetika izy ka mandao ny toeram-ponenany, raha ny angom-baovao hatrany. Araka izany, miantsaravelatsihy tsy sahy manabedy ilay lehilahy vao eo ramatoa vadiny.

Tsy misy atahorana ny ain’ilay zaza.

Henintsoa Hani

Partager sur: