Kitra: natao mariazy Rakoul sy i Mendrika

Notanterahina omaly, teny amin’ny Espace Matehotia Andoharanofotsy ny fisoratam-panambadian-dRazafin­dranaivo Koloina na Rakoul sy i Nasandratraniaina Men­drika Lavorary. Taorian’ ny soratra, nisy ny fanamasinana ny mariazin’izy roa, tao amin’io toerana io ihany. Tonga nanatrika io lanonam-panambadiana io avokoa ireo mpilalao Barea Chan sy ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô. Tsiahivina fa Rakoul dia isan’ireo mpilalao handeha hila ravinahitra any ivelany. Hila­lao ao amin’ilay klioba Alze­rianina, FC Mouloudia Alger, izy. Haharitra telo taona sy tapany ny fifanarahana eo amin’ny roa-tonta.
Araka ny vaovao voaray, amin’ny herinandro ho avy izao izy roa ireo no hiainga ho any Alzeria. Izahay ato amin’ny Gazety Taratra dia mirary tokantrano sambatra ho an’i Koloina sy i Mendrika.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: