Kolikoly: lehiben’ny Cisco naiditra am-ponja

Toarian’ny niakarany fitsarana teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly ( PAC) ao  67 Ha, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana eo anivon’ny disitrikan’ i  Vavatenina,
ny  alakamisy  9 febroary teo.   Voasaringotra tamin’ny raharaha fanodikodinam-bola ny “caisse école”  tao an-toerana, voatondro ho nanao fanararaotam-pahefana koa ity lehiben’ny Cisco ity. Naharitra ora efatra ny fihainoana am-bavany azy teo anivon’ny PAC.

Tsy izy irery, mbola voasaringotra tamin’ny fampidirana mpianatra ho   mpiasam-panjakana koa ny vadiny. Nampidirin’io lehiben’ny Cisco io ho ao anaty lisitry ny mpampianatra mpiasam-panjakana io vadiny io kanefa vao fotoana vitsy no nidirany tao amin’ny sehatry ny fampianarana. Nampiakatra ny hatezeran’ireo mpanabe sasany  ao Vavatenina izany satria misy amin’izy ireo efa nampianatra an-taonany maro saingy tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana. Nidoboka am-ponja vonjimaika noho izany ity lehiben’ny Cisco ao Vavatenina ity ary miandry ny fitsarana azy.  Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny vadiny.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: