Rugby – XXL Top 20 : miray vondrona ny USA sy ny FTM

Notanterahina omaly, teny amin’ny orinasa Star ny antsapaka na “tirage au sort” ny lalao Federal 1- XXL Top 20. Hiray vondrona ao amin’ny “Poule D” ny ekipan’ny FTM Manjakaray sy ny USA An­kadifotsy. Ankoatra azy roa ireo, hiady lohany ao amin’ity sokajy D ity koa, ny 3FAI Ambalavao Isotry, ny Uscar, ny FTAT. Ity vondrona “D” ity no tena mafy na “Poule de la mort” araka ny hevitry ny mpakafy ny taranja baolina lavalava. Sangany avokoa ireo ekipa dimy ireo.
Vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny orinasa Star sy ny Malagasy Rugby ity fifaninana ity. Araka ny fanazavana nataon’ireo mpikarakara, hizara vondrona efatra ireo ekipa 20 mandray anjara. Ekipa dimy isaky ny vondrona. Hatao ao amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka ny fifaninanana.
Miakatra amin’ny dingan’ ny lalao ampahavalon-dalana, ny ekipa efatra voalohany isam-bondrona. Midina ao amin’ny Federal 2 kosa, ny ekipa efatra farany isan-tsokajy. Hisy ny lalao ampahefa-dalana, sy manasa-dalana ary ny lalao famaranana. Ny ekipa valo tafiakatra amin’ny ampahefa-dalanan’ny Top 20 dia hanao avy hatrany ny fifaninanana Top 12. Ireo ekipa efatra, resy saingy tsara isa na “meilleures vaincues” no hanampy azy ireo amin’izany.

Ny fifaninanana Top 12 izay handeha aorian’ny lalaon’ny Nosy na JIOI 2023.
Marihina fa noho ny fandaminana eo amin’ny Mala­gasy Rugby, tsy mbola fantatra ny fotoana hanombohan’ny fifaninanana. Tokony ha­tomboka amin’ny 19 febroary ho avy izao saingy tsy tanteraka.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo vondrona dimy amin’ny fifaninanana XXL Top 20 :

Sokajy A: Tam Anosibe, TFMA Ankasina, TFA Anatihazo, XV FA, FBM Be Masoandro
Sokajy B : STM (Savony), 3FB, FTBA, US Ikopa, XV Avenir
Sokajy C : Cosfa, JSTA Ambondrona, SCB Besarety, Mang’Art, UAS Cheminot
Sokajy D: USA Ankadifotsy, 3FAI Ambalavao Isotry, Uscar, FTM Manjakaray, FTAT

Partager sur: