Tenisy-Afrika U18: tompondaka lefitra sokajy olon-droa i Miotisoa sy i Gloriana

Nifarana, omaly, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “continental”, latsaky ny 18 taona, notanterahina tany Le Caire, Egypta. Tompondaka lefitra teo amin’ny sokajy olon-droa, Rasendra Miotisoa sy i Gloriana Nahum.

Resy tamin’ny seta 2 no ho 1 Rasendra Mioti­soa, teratany Malagasy sy ilay Béninoise Gloriana Nahum, omaly, teo amin’ny lalao famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “continental” ho an’ny latsaky ny 18taona olon-droa miaraka, taranja Tenisy. Niady hatramin’ny farany ny lalao ary tena nifandanja saingy ireo mpifanandrina taminy no nitsikian’ny vintana. Teo amin’ny seta voalohany, norombahan’ny ekipa Maraokanina, nahitana an’i Malak El Allami sy Aya El Aouni, tamin’ny isa 6 no ho 1. Nifoha tamin’ny torimasony ny solontenantsika sy ilay Béninoise, ka tsy nanaiky raha tsy lasan’izy ireo, tamin’ny isa 6 no ho 3 ny seta faharoa. Nanaitra ny hambom-pon’ireto mpifanandrina taminy izany, ka norombahany, tamin’ny isa 10 no ho 3 indray ny seta fahatelo farany, nibatan’izy ireo ny anaram-boninahitra.
Raha hiverenana, tsara fanombohana ny ekipan-dRasendra Miotisoa, izay nanilika an’ireo teratany Egyptiana, i Ermine Sherif sy i Mariam Atia, tamin’ny seta 2 no ho 1(6/4-2/6-10/8), teo amin’ny manasa-dalana. Tsiahivina, ireto tompon-tanàna ireto anefa no tena sangany ary tsy nisy nieritreritra fa ho resy izy ireo teo amin’ity dingana manasa-dalana ity. Ankilany, ireo teratany Zimbaboeanina, i Sasha Chimedza sy i Mauchi Tadiwa no resin’ny Maraokanina, tamin’ny isa 6/1 6/2, teo amin’ny manasa-dalana, izay nahazoany ny tapakila niakarana tamin’ny lalao famaranana teo iny ary dia lasany hatramin’ny farany mihitsy moa ny amboara.
Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, hiady ny laharana faha-17 i Rabarijaona Tefy Ranja, solontenantsika Malagasy. Lalao izay hotanterahina an­droany any Caire.

Mi.Raz

Partager sur: