Mivoatra hatrany ny mpilalao basikety malagasy. Taorian’ny naha voahosotra azy ho mpilalao mendrika indrindra nandritra ny Afrobasket U18 sy ny niatrehan’ny “Camp BWB Africa”, voaantso hiatrika ny “BWB Global Camp” indray, i Mathias M’Madi.
Mathias M’Madi, mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, voafidy ho mendrika indrindra, sady mpampidi-baolina betsaka indrindra nandritra ny Afrobasket U18 natao teto Madagasikara, farany teo. Ankehitriny, nosafidian’ny NBA sy ny FIBA ho solontena malagasy sy ho anisan’ireo mpilalao 40 sangany indrindra eran-tany, hiatrika ny “Camp mondial de Basketball BWB 2023” izy. Miompana indrindra amin’ny fanomezana traikefa ireo mpilalao tanora mendrika indrindra maneran-tany, ity « camp » ity. Fampiofanana hatao ao amin’ny Salt Lake City-Utah ao Amerika ny 17 hatramin’ny 19 febroary ho avy izao. Tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsika “NBA All Star 2023” izao andiany faha-7 izao. Mpilalao kalaza avy amin’ireo firenena miisa 27 maneran-tany izy ireo no hiatrika ity programa maneran-tany momba ny fampandrosoana ny Basikety ity, ahitana mpilalao avy eto Afrika, Asie, Amerika ary Eoropa.
Hizara traikefa ny mpilalaon’ny NBA
Teknisiana maro avy amin’ny NBA sy FIBA, miampy mpilalaon’ny NBA mpandray anjara amin’ny “NBA All-Star 2023” no miara-misalahy manome fiofanana ho an’ireo mpilalao tanora mandray anjara amin’ny “BWB global camp 2023”. Hisy ny fanofanana momba ireo teknikan’ny basikety avolenta, ao koa ny fampiofanana momba ny fitifiram-baolina sy fifehezana ny lalao. Tombony lehibe amin’ity fampiofanana ity ihany koa ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpilalao. Azo antenaina tsara, araka izany, ny hahatafiditra ny mpilalao malagasy, i Mathias M’Madi ho anisan’ny mpilalaon’ny NBA, aorian’izao fiofanana izao ary efa velom-panantenana ny amin’izany rahateo izy. Tsiahivina, fa efa klioba maro eo anivon’ny NBA no efa nitsiriritra an’i Mathias M’Madi, taorian’ireny fahombiazana azony nandritra ny Afrobasket U18 notanterahina teto Madagasikara ireny. Raisiny ho fanamafisana sy fanatsarana ny fahaiza-manaony hanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, ho an’ny sokajy U19 lehilahy, hatao amin’ity taona ity, sahady izao fiofanana hatrehany izao.
Mi.Raz