Lonilony politika? Zaza folo taona notrobarana antsy

Zava-doza no nanjo ny fianakaviana mpanao politika iray, tetsy Andavamamba ny zoma alina lasa teo. Maty noleran’olon-tsy fantatra antsy tao an-trano ny zanany lahikely vao 10 taona.

Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i Allan, ny alin’ny zoma 10 febroary teo tamin’ny 7 ora sy sasany. Za­zalahy vao folo taona mipetraka ao Andavamamba. Za­naka renim-pianakaviana iray, mpanao politika, mpanohana ny fitondrana. Tsy voafaritra mazava ny anton’’ity vono olona mahatsiravina ity. “Niditra an-keriny tao an-trano, nitady vola ireo andian-jiolahy”, araka ny fijoroana vavolombelona vooangona teny an-toerana. “Avy nilalao tany an-tokontany i Allan no sendra ireo jiolahy efa tao an-trano”, hoy ny rainy. “Efa novoin’ireo olon-dratsy avokoa anefa ny jiro tao an-trano. Notapenan’ ireo tsy matahotody avy ha­trany ny vavan’io zanakay io ary nodarohany”, araky ny fanamafisan-drainy.
“Nitady fitoeram-bola sy ilay renim-pianakaviana ireo jiolahy saingy tsy tao an-trano io ramatoa io”, hoy ny eo anivon’ny seraseran’ny polisim-pirenena. “Tsy nahita olon-dehibe tao amin’ity tokantrano ity izy ireo ka nanampatra ny hatezerany tamin’ny zazalahikely iray folo taona atao hoe “Allan”. Nofatoran’ireo jiolahy ny mpanampy ka tsy afa-nietsika. Notrobaran’izy ireo antsy teo ambany tanany ka nahazo ny fon’ilay zaza.”, hoy hatrany ny angom-baovao azo.
Anisan’ny tao an-toerana, ny alin’ny zoma ny anabavin’ityy namoy ny ainy. Voalaza fa nihiakiaka mafy i Allan ka nikiry hamonjy azy ny anabaviny. “Naratra mafy teo amin’ny tanany io zokiny io noho ny fihetsik’ireo jiolahy”, hoy ny fanamafisan’ny rain’i Allan.
Nentina namonjy ny hopitaly HJRA izy mianadahy, saingy tsy tana ny ain’ilay zazalahikely. Tsy nisy nahina kosa ny fahasalaman’ilay tovovavy zokiny.

Anaty fanadihadiana lalina
Tsy niandry ela, ny asabotsy maraina efa nisy ny fisamborana. Tsy misy mipika kosa ny vaovao. Anatin’ny fanadihadiana lalina ny eo anivon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava ( BC) amin’izao fotoana izao. “Mbola anatin’ny “investigation” tan­­teraka izahay”, hoy ny polisy eo anivon’ny BC. Na izany aza, voalaza’ny loharanombaovao hafa fa efa olona enina hatramin’ny omaly no atao famotorana. Anisan’ny notanana hatao fanadihadiana ny mpanampy tao amin’io tokantrano.
Etsy ankilany, mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an’ny nahavanon-doza ny ray aman-drenin’i Allan. “Efa tsy hiverina intsony ny ain’ny zanakay saingy maniry ny hampiharana ny lalàna amin’izay nahavanon-doza izahay”, hoy hatrany ny rainy. Miantso ny filoham-pirenena hijery ifotony izao raharaha izao izy. “Tsy rariny izao, zaza folo taona tsy manan-tsiny”, hoy ny renin’Allan, izay voalaza fa tena notadiavin’ny jiolahy.
Tsiahivina fa filoha vehivavy anatin’ny fikambanan’ny antoko politika Vondron’ olona Miaro ny Fitondrana (VMF) sy filoha lefitry ny Tanora Mijoro ho an’i Madagasikara (TMM) ity renim-pianakaviana namoy anaka ity.
Hanainga hihazo an’ Antsirabe anio ny nofo mangatsikan’ity zazalahikely ity ary halevina ny Talata izao.

Tsiferana R.

Partager sur: