Miisa 14 ireo ekipa ao amin’ny Top 20, izay mitaky ny taratasy mangarahara na ny “certificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Araka izany, nangataka ny tsy hanaovana ny fifaninanana Top 20, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity, izy ireo. Araka ny valan-dresaka nataon’ireo ekipa 16 tonga teny Antanimena, ny omaly.
Marihina fa tonga nanatrika ity hetsika ity, Rasolonjanahary Tefy Harivony, izay solon-tenan’ireo filohan’ny ligy valo, isan’izany Betsiboka izay tantànany, Menabe, Atsinanana, Diana, Ihorombe, Itasy, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra. Milaza moa izy ireo fa tsy ara-dalàna ny fifaninanana Top 20, tsy mbola manana mpitondra ara-dalàna ny Malagasy Rugby.
Mangataka amin’ny ministeran’ny Fanantanjahatena izy ireo ny mba hijerena ny toe-draharaha misy eo amin’ny Malagasy rugby ary mangataka ny hanaovana ny fivoriambe tsy ara-potoana na “Assemblé général extraordinaire”. Tsiahivina fa efa nisy ny fangatahan’ireo ligy valo ireo ny “AG extra” , tamin’ny alatsinainy lasa teo, teny Ambohijatovo.
Fitia (Mpianatra asa)