Hetsika iraisam-pirenena: handray ny “Nosy Boraha Jazz Festival” i Sainte Marie

Andiany efatra izao no tontosa tamin’ny «Nosy Be jazz Festival», nohafohezina ho NBJF. Fantatra ny faran’ny herinandro lasa teo kosa fa hikisaka any Sainte Marie ny hetsika, ka hiofo ho “Nosy Boraha Jazz Festival” ny anarany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika izay nataon’ny komity mpikarakara tarihin’i Niry Ravelojaona, ny faran’ ny herinandro teo, tao Toamasina.

“Ny toerana no niova fa ny fototry ny NBJF kosa mitoetra hatrany. Mozika mahafinaritra miaraka amin’ ireo tanora mpiangaly jazz, hotronin’ireo efa voky traikefa ary ireo mpanakanto vahiny avy any Etazonia, Italia, Afrika Atsimo ary Frantsa”, hoy ny nambaran’i Niry Ravelojaona. Fantatra ihany koa fa notanana ho amin’ny fetin’ny Paka, izany hoe, hanomboka ny 8 hatramin’ny 11 avrily ity hetsika iraisam-pirenena ho an’ny jazz ity.
Fa maninona no any Sainte Marie? Toy ny safidy tamin’i Nosy Be tany am-boalohany ihany, mifandray akaiky amin’ny fizahantany ny hetsika. Mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany rahateo ry zareo mpikarakara, ka natao hampiroborobo ity sehatra ity ihany koa ny zavakanto. Nosafidiana manokana ny jazz amin’ny maha mozika iraisam-pirenena azy, ka mampifandray vetivety ny vazantany efatra. Hampa­ha­fantarina miandalana eo ny fandaharam-potoana feno.

Zo ny Aina

Partager sur: