Kitra any ivelany : hifandona ny PSG sy ny Bayern

Hotanterahina anio amin’ny 11 ora alina (ora eto amintsika), ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na “Ligue des Champions” taona 2023. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihao­nan’ny Paris Saint Germain FC (PSG), klioba frantsay sy ny FC Bayern Munchen, klioba alemà. Lalao izay atao ao amin’ny kianjan’ny Parc de Princes, Frantsa.
Araka ny vaovao farany hita tao anaty tambajotran-tserasera, efa niaraka nikotrana tamin’ireo namany i Kylian Mbappé, mpilalao PSG, ny alahady lasa teo. «Efa nikotrana izy androany, saingy mbola manaraka fitsaboana ka tsy afaka ny hampilalao an’i Mbappé aho, na dia lalao tena ilana azy aza ny anio», hoy i Christophe Galtier, mpanazatra ny PSG.
Tsiahivina fa afaka milalao tsara amin’io fihaonana io i Messi, mpilalao kalazan’ny PSG sy ilay mpilalao afovoan’ity ekipa frantsay ity, Marco Veratti.

Tsy manao i Mané
Ankoatra izay, tsy afaka milalao kosa i Sadio Mané, mpilalao Bayern noho ny ratra mahazo azy. Tsy manana olana loatra amin’izany anefa ry Muller sy ny namany, efa maro ireo mpilalao sangany mahasolo azy. Isan’izany le Roy Sané, Kingsley Coman, Musiala. «Handray anay ny PSG anio saingy hiezaka ny hampiseho ny maha Bayern anay izahay, ary ela ireo mpilalao no efa vonona», hoy i Julian Nagelsmann, mpanazatra ny Bayern.
Marihina fa efa nihaona sy mifankahafantatra tsara ireto ekipa roa tonta ireto. Isan’ izany ny nandresen’ny Bayern ny PSG tamin’ny isa 1 no ho 0 teo amin’ny lalao famaranana ny UCL 2020, ary nanda­voan’ny PSG ny Bayern, tamin’ny isa 3 no ho 2 teo amin’ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalana ny UCL 2021.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: