Rugby « 6 Nations » : voalohany ny Trèfles Irlandey

Notanterahina ny farany herinandro lasa teo, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na «6 Nations», taranja rugby. Manjaka tanteraka ny Trèfles Irlandey, izy ireo hatrany no eo amin’ny laharana voalohany, ary manana isa 10. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, hihaona amin’ny ekipa italianina izy ireo, ny asabotsy 25 febroary ho avy izao.
Ry zareo Irlandey dia isan’ ireo ekipa tena manana ny lanjany amin’ity fifaninanana ity, fandresena roa tao anatin’ny lalao roa no azon-dry maitso akanjo. Ankoatra an’i Irlandy, manaraka azy aoriana kosa i Ecosse, manana isa 10 saingy resin’i Irlandy tamin’ny isa tafiditra na “ Différence de point”.
Marihina fa tsy tafiditra ao anatin’ilay telo voalohany amin’ity fifaninanana ity ny XV Frantsa, saingy eo amin’ny laharana fahefatra no misy azy ireo. Tsiahivina fa nataon’ ny ekipa frantsay ho fanomanana ny «Mondial 2023» taranja rugby, izay hatao ao Frantsa, ny 8 septambra – 28 oktobra 2023, ity fifaninanana ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: