Isan’andro ny fetin’ny mpifankatia. Fa nanao hetsika fahatsiarovana amin’ny maha fankalazana izany ireo mpifankatia nanontaniana.
“Nanomana fanomezana ho ahy ny vadiko vao nifoha maraina”, hoy i Toky. Nilaza izy fa tsy nanam-po izany fihetsika nataon’ny vadiny izany. “Tsara ny fitia mifamaly ka noentiko tany amin’ny toeram-pisakafoana iray ny vadiko mba ho valin’izany”, hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, niaraka nandeha nisintaka kely kosa ireo mpifankatia sasany. “Mba hankalazana ny andro sy hanokanana fotoana niarahana nitokana”, hoy i Mamy.
Tsapa fa nankamamy ny vokatra “chocolat” ireo mpifankatia sy ny mpivady sasany. Nilaharana teny amin’ ireo mpivarotra chocolat eto Antananarivo. “Maniry fiarahana sy fifankatiavana ho mamy ny anton’ny fifampizarana chocolat”, hoy i Sandratra.
Nampitombo ny fifankatiavana sy namerina indray ny fitiavana nisy teo amin’ ireo mpifankatia sy mpivady ny fiarahana sy ny fifampizarana ary ny fanolorana fanomezana natao omaly. “Miverina miha mamy ny fifankatiavana, ary tokony ho toy izao foana na misy na tsia ny andro fankalazana”, hoy ireo nanontaniana. Misy kosa ireo olona tsy mankalaza mihitsy ny andron’ny mpifankatia.
Mino (mpianatra asa)