“Misy tokoa ny fanamarihan’ny olona ny amin’ny hoe manitsaka lalàmpanorenana ny Ceni, raha 9 novambra no hanaovana fifidianana fihodinana voalohany. Mihevitra ny Ceni fa tsy manitsaka lalàmpanorenana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny datim-pifidianana.
Raha ny lalàmpanorenana, 19 novambra hatramin’ny 19 desambra no tokony hanaovana fifidianana fihodinana voalohany, raha mifarana amin’ny 19 janoary 2024 ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Saingy misy lalàna koa milaza fa tokony hatao amin’ny vanimpotoana maintany ny fifidianana. Nojeren’ny Ceni fa raha amin’ny 19 novambra na aorian’izay ny fihodinana voalohany, mety any amin’ny fiandohan’ny taona 2024 vao azo hatao ny fihodinana faharoa. Tena ao anatin’ny fotoan’ny orana izay.
Raha naroso folo andro, 9 novambra, ny fifidianana, nojeren’ny Ceni ny tetiandro takin’ny fikarakarana amin’ ny fihodinana voalohany sy ny fanomanana ny faharoa, azo atao tsara amin’ny 20 desambra ny fihodinana faharoa. Ao anatin’ny fotoana tsy mbola tena misy orana izany. Tsy mieritreritra fandikan-dalàna ny Ceni amin’izany.
Tsy maka fankatoavana amin’ny governemanta ny Ceni
“Ny nahatonga anay nanoratra any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mba hanamafisan’ny HCC izay eritreritray izay. Satria heverinay fa rariny sy ara-dalàna izay”, hoy izy. Heveriny fa tokony hitovy lenta ny olom-pirenena amin’ny fanatanterahana fifidianana. Tsy misy tokony ho hoe tsy afa-mifidy noho ny fahasahiranana vokatry ny toetr’andro na tondra-drano. Toy izay koa ny kandidà: samy afa-manao fampielezan-kevitra ao anatin’ny maintany. Eo koa ny 25 desambra ho an’ny kristianina sy ny Malagasy. Heverina fa alohan’ny fetin’ ny Krismasy izay no vita ny lafiny politika amin’ny ankapobeny.
Misy milaza fa tsy hita taratra ny fahaleovantenan’ny Ceni, fa mbola hakana fankatoavan’ny governemanta ny datin’andro nofaritany. Tsy fakana fankatoavana no atao, fa ry zareo no manolotra ny andro hanatanterahana ny fifidianana, araka ny lalàmpanorenana. Tokony homen-danja amin’ny alalan’ny didy aman-dalàna izay. Ny governemanta no manana fahefana mamoaka izany. Izay no andefasana azy any aminy. “Manamafy ny fahaleovantenan’ny Ceni ny famoahan’ny governemanta ny datin’andro nofaritan’ny Ceni hanatanterahana fifidianana”, hoy ihany izy.
R. Nd.