“Hamafisinay hatrany fa tsy hanaiky intsony ny tsy fanarahan-dalàna rehetra sy ny hala-bato ary ny famadihana ny safidim-bahoaka toy izay nisy teo aloha izahay. Tena vonona izahay hampiasa ny herinay rehetra hiarovana ny safidim-bahoaka ary hampanjaka ny ara-dalàna sy ny ara-drariny mandritra ny zotram-pifidianana.” Io ny nambaran’ ny sekretera jeneralin’ny Tim, Andriamasinoro Rina, teny Alasora, ny faran’ny herinandro teo, amin’izao fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao.
Noho izany, takiny ny fitondram-panjakana hampitsahatra ny fampiasana ny volam-panjakana sy ny fananam-panjakana amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana efa ataony amin’izao. Tsy fanarahan-dalàna ny fanohizan’ny mpitondra izany, ary hiteraka korontana sy savorovoro eto amin’ny firenena.
Araka izany, miantso ny Ceni sy ny HCC koa ry zareo hijery akaiky sy handray andraikitra manoloana izany fandikan-dalàna eto amintsika izany. Antsoiny koa ny mpitondra hampitsahatra ireo teritery sy tsindry ataony amin’ny lehiben’ny fokontany, ben’ny Tanàna, lehiben’ny distrika hampiasa ny fahefam-panjakana hiandany amin’ny politika amin’izao fifidianana izao.
Mila malalaka ny fijerena ny lisitry ny mpifidy
Takiny ny andraisan’ireo manampahaizana avy amin’ ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily eto an-toerana ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny vola sy teknika avy any ivelany amin’ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy. Eo koa ny fandraisana fepetra sy fampahafantarana ny vahoaka ny lisitry ny mpifidy mandritra ny famerenana ny lisitra eny amin’ny fokontany anaovan’ny mpifidy fanamarinana sy fanitsiana.
Anisan’ny fepetra mila raisina ny famelana malalaka ny rehetra hijery sy hanamarina ny lisitry ny mpifidy, fanatanterahana fivoriambem-pokonolona hamakiana ampahibemaso ny lisitry ny mpifidy, fametrahana ny lisitry ny mpifidy ao amin’ny tranonkalan’ny Ceni mba hahazoan’ny rehetra mijery amin’ny fotoana rehetra.
Tokony hatao amin’ity taona ity koa ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eny anivon’ny kaominina. Miantso ny Ceni izahay hanokatra adihevitra hiarahan’ny rehetra mandinika ny tokony hatao amin’ny fotoana hanatanterahana izany fididianana izany.
R. Nd.