Taona maromaro lasa izay no namoaka ny vokatra voalohany, « Misy tody » ny trano mpamokatra sarimihetsika Gnoz Event. Fantatra kosa indray izao fa namoaka andian-tantara mitondra ny lohateny « Vona » izy ireo, izay mandeha ao amin’ny « Novegasy » amin’izao fotoana izao, ny alatsinainy hatramin’ny zoma, ary misy famerenana izay rehetra nandeha nandritra ny herinandro kosa ny asabotsy sy ny alahady.
Misy andiany 40 ity sarimihetsika mitohy ity, ka maharitra 45 mn ny andiany iray. Faliherinantenaina no nanoratra ny tantara, ary nandrindra izany kosa i Saholy R. sy i Daddy Ramanankasina, izay sady talen’ny famokarana rahateo. Niandraikitra ny fanofanana ireo mpilalao kosa i Henri Randrianierenana. Ireto farany izay tsy mbola nilalao tamina sarimihetsika hafa, nialohan’ny niarahany tamin’ ny Gnoz Event.
Randria.