Herisetra amin’ny ankizy : mpifankatia naiditra am-ponja

Mampivarahantsona! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ireto mpifankatia nahavita heloka mamoafady tamin’ny ankizivavy 16 taona manana fahasembanana tao Sainte Marie. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny kaomisarian’i Sainte Marie, manan-janaka vavy 16 taona sembana ara-batana sy ara-tsaina ny renim-pianakaviana iray. Tsy nokarakarainy mihitsy anefa ity zanany ity fa navelany irery hatrany ary nitoka-monina tao amina efitrano iray ao an-tranony. Niaraka tamina lehilahy hafa anefa ilay reniny taty aoriana. Niara-nipetraka taminy koa ilay lehilahy sa­kaizany io. Nentin’ny filan-dratsiny ity lehilahy ity ka nanolana ilay ankizivavy manan-kilema. Tsy hitan-dreniny anefa izany fihetsika mamoa-fady ataon’ity lehi­lahy ity. Vokany, nitondra vohoka noho ny nataon’ilay nahavanon-doza ilay zaza­vavy. Teraka tao amin’ny toeram-pitsaboana iray ao Sainte Marie izy. Nahazo fampitam-baovao momba ity herisetra miharo fihetsika fanolanana ity ny polisy avy ao amin’ny CSP Sainte Marie ka niroso tamin’ny fanadihadiana. No­samborina izy mivady rehefa voamarina avokoa ny momba azy ireo. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany izy ireo taorian’ izay ka naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Fenoarivo Atsinanana. Nalefa eny amin’ny akany mpitaiza zaza kamboty kosa ilay zanany vavy sy ilay zazamenavava.
Tokony hamafisina mihi­tsy ny lalàna ampiharina amin’ ireo olona mahavita fihetsika mamoa-doza amin’ny ankizy toy izao, indrindra ireo manan-kilema.

Jean Claude

Partager sur: