Kolikoly avolenta tao Toamasina: voaheloka handoa onitra 6 tapitrisa Ar Ratsiraka Elysé

Nomelohin’ny fitsarana handoa onitra 6 tapitrisa Ar ny ben’ny Tanàna ambonivohitr’i Toamasina teo aloha, Ratsiraka Elysé sy ireo olona roa niaraka taminy…

Tontosa ny alatsinainy 13 febroary 2023 teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 ha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpiasan’ny kaominina miisa 13 mianadahy. Vavo­lombelona momba ny raharaha anenjehan’ny Pac an-dRatsiraka Elysé, ben’ny Tanàna teo aloha sy Ratelolahy Aurélien, talen’ny drafi-pandaminana ny tanàna « directeur d’urbanisme » nandritra ny fitantanana ny tanàna. Noho ny trangana kolikoly avolenta teo anelanelan’ny taona 2015 – 2020 ary nampanantsoina ireo mpiasan’ny kaominina miisa 13. Vokany, voaheloka handoa onitra amin’ny fitondram-panjakana mitentina 6 tapitrisa Ar tsirairay avy ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ilay tale. Somary nanaitra ireo mpiasan’ny kaominina nijoro niaro ny fananam-panjakana ihany ny tsy famelan’ny mpitsara azy ireo hanazava malalaka ny fomba maloton’ny ben’ny Tanàna teo aloha. Tsy afa-po tamin’ny sazy nomena ity ben’ny Tanàna teo aloha ireo vavolombelona avy amin’ny kaominina. Raha hiverenana, vokatry ny fitsirihana ny fomba fitantanana teo anivon’ny kaominina ka nahitana fisiana kolikoly sy tsy fietezan’ny fitantanana, famarotana tany sy fananan’ny kaominina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny votoatin’ny fanenjehan’ny Pac ny ben’ny Tanàna sy ilay tale ary renim-pianakaviana nividy tany tsy ara-dalàna. Efa tafiditra teo anivon’ny lahadiniky ny filankevitry ny tanàna nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa ny 19 oktobra hatramin’ny 5 novambra 2021 ny fandinihana ireo fananan’ny kaominina namidin’ny ben’ny Tanàna Ratsiraka Elysé nandritra ny naha ben’ny Tanàna azy sy ny ekipany.

Sajo

Partager sur: