Migaina ny andro tao anatin’ny roa herinandro izao. Fotoana fisokafan’ny dobo filomanosana rahateo ka manararaotra milomano ny olona rehefa faran’ny herinandro. Ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, feno ireo toeram-pilomanosana ary tomefy olona mihoapampana aza izany amin’ny ireo toerana sasany.
Mandray ny fepetra rehetra amin’ny fiahiana ireo olona tonga milomano ao aminy ny tompon’ny toeram-pilomanosana ialana amin’ny loza tampoka mety hanjo. Misy ireo toerana natokana ho an’ny ankizy madinika mihitsy ary mifanaraka amin’ny fenitra rehetra amin’izany ny fotodrafitrasa.
Ireo toeram-pilomanosana fanaovana fifaninanana kosa dia vitsy no tena manatona azy satria lalina ka ambony ny mety ho fahavoazana na loza raha sanatria misy ny tsy fahaizana milomano na tsy fahatomombanana tampoka.
Safidin’ny maro ihany koa ireo toerana mihataka kely ny Renivohitra satria sady madio ny rivotra no tony. Vitsivitsy ihany koa ny olona amin’ireny toerana ireny ka hahafahana milalao tsara, manaram-po.
Manodidina ny 2000 Ar ka hatramin’ny 20.000 Ar ny saran’ny filomanosana mandritra ny tontolo andro, arakaraky ny toerana. Hentitra amin’ny fisian’ny olona mahafehy ny vonjy aina ao amin’ ny toerana alehany ireo manana ankizy madinika mba hanara-maso sy hiantrana raha misy ny tampoka.
Tatiana A