Voavaly ny fangatahan’ireo klioba sy ligy nitaky ny “certificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby. Neken’ny minisitera ny maha filoha azy.
Nomen’ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena an-dRakotomalala Marcel, ny alatsinainy lasa teo, ny taratasy fahazoan-dalana hitantana ny Malagasy Rugby sy ny taratasy manamarina ny maha ara-dalàna ny fifidianana natao tany Toliara. Efa nasehony tamin’ireo klioba hifaninana amin’ny «XXL Energy Top 20» izany, vantany vao voarainy. Raikitra ny fifaninanana, tsy misy intsony ny sakantsakana ary efa nivoaka ny fandaharan-dalao. Raha hiverenana ny fivoriana niarahana tamin’ ireo klioba handray anjara amin’ ny fifaninanana «Top 20», fijerena ny marimaritra iraisana no tena nimasoana ary indrindra nandravonana ny disadisa nisy.
Tsiahivina fa ny alahady 19 febroary izao ny fanombohan’ity fifaninanana ity no sady fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2023 ho an’ny Malagasy Rugby.
Ho avy ny Rugby Afrique sy ny World Rugby
Ho avy eto an-toerana ny solontenan’ny Rugby Afrique sy ny World Rugby hiaraka hanokatra ny taom-pilalaovana amin’io alahady io. Vahiny miisa telo izy ireo, ahitana an’i Charles Yapo, tompondraikitry ny Rugby Afrique, efa tonga omaly, izay hanome fiofanana ho an’ny mpitantana sy teknisianina eo anivon’ny Malagasy Rugby. Ho avy rahampitso kosa i Jurie Roux, Sekretera jeneralin’ny Rugby Afrique sy i Coralie Van Den Berg, solontenan’ny World Rugby. Iraka maro ny anton-dian’izy ireo eto, toy ny fijerena ny toe-java-misy eo anivon’ny Malagasy Rugby sy hanao tombana ny fiofanana natao. Hijery ny kianja sy ny toerana handraisana ny “Coupe d’Afrique des Nations” hatao ny 19 hatramin’ny 28 mey eto amintsika sy ny pitsopitsony mahakasika izany ihany koa izy ireo. Hisy ny tombana hatao amin’ireo mpikambana eo anivon’ny federasiona ary ny fijerena ny fandaharam-potoanan’ny taona 2023. “Taona hanaovana tombana hahafahana manampy sy mampiakatra ny fanampiana ara-bola amin’ ny taona manaraka ity taona 2023 ity”, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Malagasy Rugby. Manana fikasana hiresaka amin’ny minsiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Komity Olympika ary ny mpanohana ny Malagasy Rugby ireto vahiny ireto mandritra ny fijanonany eto hatramin’ny 21 febroary ho avy izao.
Mi.Raz