Mbetika hisy, mbetika tsy hisy…mipoitra indray ny resaka fanovana governemanta sy ny governora. Nahoraka hatry ny omaly, fa kihon-dalana tsy azo ihodivirana ny fanesorana sy ny fametrahana ekipa vaovao hiara-miasa amin’ny kaomandà mpibaiko ny lamasinina. Maro amin’ny ekipa no tsy maharaka tsotra izao ny hafangainam-pandeha. Betsaka ny tsy mahari-pery ka misababaka etsy sy eroa. Misy ny nivadi-belirano tsotra izao, nadio ny rano nitana.
Andry iankinan’ny hoavin’ny mpitondra ankehitriny anefa
ny firaisan-tsaina amin’izy samy izy ao. Antoka ho amin’ny fitohizam-pahefana efa nomen’ny vahoaka malagasy ny filoha am-perinasa izany. Sarotra ny hametra-pitokisana amin’olona miady an-trano sy misavoritaka. Fotoana tokony hanehoan’ny Filoha fa izy no tompon’ny teny farany. Olon-dehibe sahy maka fanapahan-kevitra ho amin’ny tombontsoan’ny besinimaro.
Mipetraka ny fanontaniana manoloana izany : Inona no sakana mampihazohazo ilay tompon’ny lakile tsy hamaha ny varavaran’ny vahaolana ? Toa mitsanga-mihemotra, mivoaka miditra. Iarahan’ny rehetra mahalala fa efa kofona sy tsy afa-manoatra manoloana ny kirizy ny mpikambana sasany amin’ny governemanta sy ny governora. Misy aza no maika singam-bolo mandavo ny vositra, fandoto iray tandroka manimba ny fandio iray siny.
Toa sady misary tahotra no mampiseho tsy fahamatorana politika ny fihetsika tahaka izany, indrindra ho an’olona napetraka ho raiamandreny. Mila fahasahiana ny manova toe-javamisy iray efa tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Tsy misy ny mandeha ho azy. Tsy misy tiana tahaka ny zanaka fa rehefa manaiki-nono tsy maintsy hakifika. Tahaka izany tontolo politika misy amin’izao fotoana izao. Indrisy ! ilay fiainam-bahoaka no zary sorona. Ilay madinika efa mizaka ny tsy eran’ny aina no mibaby ny hadalan’ny mpanao politika.
Vanimpotoana, tokony hampiakarana ny hafangainam-pandehan’ny lamasinina izao. Tsy vitan’ny fiarovana ny namana sy ny kitranoantrano. Tsy hadalan’ny mpifanandrina ery ankilany no mandangolango ny sokajin’olona rehetra, hanamafy ny fototra politikany sy hanatevin-daharana ny mpanohana azy.
Ambava homana am-po mieritra, tompoko, fa aza tia mihemotra !
r.r