I Dax, mpilalaon’ny Fosa Junior FC, i Nina, mpiandry haraton’ny Elgeco Plus, Stephano, vodilaharan’ny Dato FC, i Lalaina mpilalao afovoan’ny CFFA Andoharanofotsy ary i Rojobe, mpilalao Ajesaisa taloha no hisafidianana izay mpilalao mendrika tamin’ny taona 2022, amin’ ity “Orange Pro League Awards” ity. Izy ireo izany no hita fa namiratra tamin’ iny taom-pilalaovana 2022 iny, araka ny lisitra navoakan’ny OPL Awards, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera.
Marihina fa iray amin’ izy dimy mirahalahy ireo no hahazo ilay amboaran’ny mpilalao mendrika taona 2022. Tsiahivina fa samy nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea, izay avy nanao ny “Chan Algérie 2022” avokoa izy dimy lahy ireto. I Dax, efa nahazo mpilalao mendrika na “homme du match” indroa, nandritra ny fihaonan’ny Barea tamin’i Mozambika sy i Niger. Isan’ ireo mpiandry harato tena miavaka nandritra ny fifaninanana “Chan 2022” i Nina. Nisongadina foana ny tenany tamin’ireo lalao dimy nataony tany Algérie. I Lalaina kosa, isan’ireo mpilalao nahatafiditra ny baolina ho an’ny Malagasy tany amin’ ny Chan, nandritra ny lalao nihaonan’ny Barea tamin’i Soudan. I Rojobe kosa, isan’ ireo mpilalao novidian’ilay klioba St Paul avy any La Réunion, nandritra iny fifaninanana Chan iny. I Stephano, tsy nilalao mihitsy nandritra iny fifanintsanana Chan 2022 iny, saingy manana ny mampiavaka azy amin’ny lalao rehetra nataony.
Mahazo mifidy ny mpankafy
Ankoatra izay, misy koa ny fifidianana ireo mpilalao handrafitra ny “Equipe Type” ny “OPL Awards 2022”. Izany dia azon’ireo mpankafy kitra atao ao anaty tambajotran-tserasera Facebook an’ ny “Orange Pro League”. Marihina fa isan’ireo mpilalao voasokajy ao anatin’ny lisitr’ireo mpilalao mpanafika mendrika indrindra i Koloina na Rakoul, mpilalaon’ny CFFA taloha, izay lasa mila ravinahitra any Algérie ao amin’ny kioba Mouloudia Alger.
Fitia (Mpianatra asa)