“Raha te hanao asa sosialy isika, tsy maintsy mijery izay maharary ny vahoaka. Any amin’ny kaominina, na fokontany, na kartie… Misy ny sakafo omena izao, fa tsy azo atao ary tsy ho vita ny hizara sakafo mandavantaona”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, momba ny fanaovan’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka.
Inona izany ny famokarana haingana tsy maintsy atao? Ny fampandraisana anjara sy fampiasana ny tombony efa nomen’Andriamanitra no tena zava-dehibe. Ny fihainoana ny isan-tsokajin’olona sy ny toerana rehetra: inona no tena zava-misy?
Miainga amin’ izay tena hetahetan’ny vahoaka eo aloha no tanterahina. Avy eo ny fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny sosialy. Fa misy koa ny tena fifantohan’ny fanjakana: fitsinjaram-pahefana tena maikabe.
Ny isam-batan’olona no tena tsinjovina
“Ny isam-batan’olona no tena tsinjovina amin’ny hoe sosialim-bahoaka”, hoy izy. Milamina tsara ve ny tsirairay, misakafo, salama, mipetraka amin’ny trano fonenana sy tontolo madio sy voaaro amin’ ny loza mety mahazo azy… ? Eo koa ny fanabeazana vesatra loatra ho an’ny Malagasy, ka lasa samy hafa be isika. Misy afa-mianatra, ao ny tsy mianatra sady tsy mihinan-kanina. Lasa vesatra ho an’ny fiarahamonina ny ankamaroany, ka tsy mitsinjo lavitra intsony isika. Afa-miara-monina tsara koa ve ny olona?
Ny fandriampahalemana sy ny sakafo ary ny fahasalamana no tena lohalaharana amin’ny sosialim-bahoaka. Miara-dalana amin’izany ny trano fonenan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao: manao ahoana? Eo koa ny tontolo misy azy, ny lalana… Mila jerena avokoa izany. Azo adika tsotra hoe ny andavanandrom-piainana ny sosialim-bahoaka.
R. Nd.