Ho fanomanana tsara ny fifaninanana “XXL Top 20” rugby, hisy ny lalao fihantsiana hihaonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray. Araka ny vaovao voaray omaly, mitondra ny anarana hoe “Super coupe de Madagascar” taona 2023 ity lalao ity. Fihaonana izay hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Efa ela no niandrasan’ireo mpankafy rugby io fihaonana io. Isan’ny klioba mamiratra amin’izao fotoana izao rahateo ny roa tonta. Mialohan’ io lalao io, misy ny fihaonan’ny XV Avenirs sy ny XV Makis sokajy U20 B. Eo koa ny fifanandrinan’ny US Ikopa sy ny XV Makis U20 A ary ny fifandonan’ny TAM Anosibe sy ny SCB Besarety.
Araka ny vaovao voaray, efa nisy ny fivoriana nataon’ireo lehiben’ny klioba izay manao «Top 20» niaraka tamin’ny filohan’ny Malagasy Rugby, ny alatsinainy lasa teo.
Tsiahivina fa izy ireo no tokony hihaona amin’ny lalao famaranan’ny amboaran’ ny filoha, izay tsy mbola mandeha ihany hatramin’ izao. Araka ny fanazavan –dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, tsy misy idiran’izy ireo ny tsy fahantanterahan’ity lalao famaranana ity.
Fitia (Mpianatra asa)