Voahangy Rajaonarimampianina : voaheloka herintaona an-tranomaizina

Miitatra ilay « Raharaha Rolly Mercia » ! Niampy 30 volana an-tranomaizina ny saziny. Nomelohin’ny fitsarana, higadra herintaona sazy mihantona kosa Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina.

Migadra 30 volana, sazy mihatra miampy lamandy 2 000 000 Ariary ny minisitry ny Sera­sera teo aloha, Rahajason Harry Laurent na i Rolly Mercia. Izay ny didy navoakan’ny fitsarana omaly, tao amin’ny efitrano faharoa, tribonaly Anosy. Efatra ny vesatra na­nenjehana azy dia ny fijoroana vavolombelona mandainga, fampirisihana fankahalana, fanelezana vaovao tsy marina, ary fanendrikendrehana.
Raha tsiahivina ny raha­raha, nisy ny fitoriana an’i Rolly Mercia, ny 23 oktobra 2019 noho izy voalaza fa nijoro va­volombelona tsy marina tany amin’ny Parquet National Financier, Paris. Fijoroana va­volombelona, izay namotika ny maha izy azy ny mpitory niteraka fatiantoka tamin’ny seha-pihariany. Mitsipaka ny fiampangana ny mpisolovava azy ary nilaza fa : “Maro ny tsy fanarahan-dalàna nandritra iny fitsarana iny. Isan’izany ny tsy fahafahan’ny fitsarana Anosy mitsara ny raharaha”, hoy ny Maitre Rafidison Eric.
Nomelohin’ny fitsarana, sazy mihantona herintaona an-tranomaizana sy lamandy 1 000 000 Ariary kosa Rama­toa Randriamanana, vadin’ny filoham-pirenena teo aloha Rajaonarimampianina Hery. Tsiahivina, araka ny tatitry ny loharanom-bavaon’ny gazety dia izy no naniraka sy namporisika ity minisitra ity hanao fijoroana vavolombelona diso handetehana ny mpitory azy, ankehitriny. Tsy nanamarina izay anefa ny mpisolovava an’ Atoa Rolly Mercia. Ny hany nambarany dia resaka politika fa tsy raharaham-pitsarana tsotra intsony izy ity. “Amin’ ny maha voasaringotra ny vadin’ny filoha teo aloha, resaka politika no votoatin’ity raharaha ity raha ny zava-misy ao anatiny ao”, hoy ha­trany ny mpisolovava an’ i Rolly Mercia.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: