Nifarana, omaly, ny lalao ara-pirahalahiana notanterahin’ny ekipan’i Mayotte teto Madagasikara, izay nifanandrinan’izy ireo tamin’ny ekipan’ny GNBC sy ny Cospn. Nifandanja tanteraka ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, satria isa 2 monja (75-73) ny nandavoan’i Mayotte ny ekipan’ny GNBC sy Cospn nitambatra, omaly, teny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena, Mahamasina. Nanantombo ry zareo Mahorais tany am-panombohana saingy nanenjika kosa ny Malagasy ka tsy dia nifankaiza ny elanelan’isa teo amin’ny roa tonta.
Raha hiverenana ny lalao nanomboka ny herinandro lasa teo, fandresena roa no azon’ny GNBC, iray ho an’ny Cospn, nanoloana an’i Mayotte ary izao resy izao ireto ekipa malagasy ireto tamin’ny andro farany, omaly. Tsiahivina, lalao fanomanan-tenan’ny ekipam-pirenen’i Mayotte amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto amintsika, izao fifaninanana natao teto Madagasikara izao. Nanararaotra naka traikefa ihany koa ny ekipa malagasy, izay efa saika ao anatin’ny nasionaly avokao ny mpilalao najoro, toa an-dry Arnol sy ry Elly ary Livio. Azo tombanana amin’ ireny zava-bitan’izy ireo ireny, araka izany, ny mety ho vokatra ho an’ny Malagasy amin’ny lalaon’ny Nosy.
Mi.Raz