Taorian’ilay naha tompondakan’i Afrika an’i Mamitiana Herilanto Ralainaivo na Rayan, teo amin’ ny «e-Football 2023» iny, nosafidin’ny orinasa Orange Madagasikara ho lasa masoivohon’izy ireo i Rayan, amin’ny taranja e-sport.
Fifanarahana izay natao teny amin’ny biraon’ny Orange, Ankorondrano, omaly.
22 Taona i Rayan, tsiahivina fa ny filalaovana ny “jeux videos” no tena mampiavaka azy. Efa nandrombaka ny tompondaka’i Afrika ny taona 2019, tamin’ny Pes 2019 izay natao tany Tunis ny tenany. Izy no tompondaka lefitra tamin’ny fifaninanana Pes 2018 e-sport, izay natao tany Abidjan. Efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara intelo tamin’ny Pes 2018, 2019, 2020 i Rayan, ary efa nahazo amboara maro tamin’ny fifaninanana “Jeux videos” toy ny Fifa sy NBA 2K, teto amintsika ny lehilahy.
Ankoatra izay, ny Orange no hanohana azy amin’ny fifaninanana eran-tany ny Efootball. Marihina fa izy no tompondaka lefitra tamin’ity fifaninanana ity tamin’ny taona 2020, raha toa ka 5500 ireo mpandray anjara tamin’izany.
Fitia (Mpianatra asa)