Notanterahina teny amin’ ny kianjan’i Vontovorona ny fihaonan’ny Fosa Junior Boeny sy ny Asa Diana. Resin’ny Fosa tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Asa. Fifandomana natao omaly, ho an’ny kaonferansy avaratra. Izy ity dia lalao tafiditra amin’ny andro faha-13 ny “Orange Pro League” (OPL). Raha hiverenana ny lalao, ny Fosa Junior no nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Baolina tafiditr’i Andry Max ( 37 min) sy i Veve (45 min). Niezaka nampihena ny isa ny Asa Diana teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, ka lasa 2 no ho 1 ny isa, baolina tafiditr’i Fredo (57 min). Somary nitandrevaka ny Asa Diana ka nampian’i Sambatra (82 min) indray ny isa ho an’ny Fosa, ka lasa 3 no ho 1 ny isa nentina nisarahana.
Tsiahivina fa mbola andro fahadimy amin’ny OPL izay no vita, saingy naroso ny lalaon’izy roa ireto.
Fitia (Mpianatra asa)